<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>737</hymn_number>
<title>Ry Ray, tahionao i Madagasikara FFPM737</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Ray, tahionao,
 i Madagasikara,
 Izay nohasoavinao, ka
 voakarakara,
 Ka nandefasanao ny teny
 masinao;
 Dia angatahanay
 // ny fitahianao //

[V2]
 Ny Fiangonanao,
 ry Rain'ny fahazavana
 Izay natsanganao hatao
 fahazavana
 Ka nodidianao hanao ny
 asanao,
 Dia angatahanay
 // ny fitahianao //

[V3]
 Ny asa marobe sy izay
 fanaovan-tsoa
 Miorina eto izao, ka sitrakao
 tokoa
 Ny fanjakana koa, izay
 natsanganao,
 Dia angatahanay
 // ny fitahianao //

[V4]
 Ny tokantranonay, ny tena
 sy fanahy,
 Ny fivelomanay, ry Ray Izay
 Mpiahy,
 Ireo rehetra ireo dia iantsoana
 Anao.
 Ka angatahanay
 // ny fitahianao //</lyrics>
</song>